Aller au contenu

Événement Gouvernance locale

SIMSI : Anisan’ny ahazo tombotsoa amin’ny Tetikasa SIMSI ireo Kaominina 04 ao anatin’ny distrikan’i Taolagnaro

Notanterahina ny 7 marsa 2019 tao amin’ny « Chambre de Commerce et d’Industrie » Taolagnaro ny lanonana fanamarihana ny fanombohan’ny tetikasa SIMSI eo amin’ny faritra Anosy, ho an’ireo kaominina efatra voakasika.

2 min de lectureMalagasy

Diapositive projetée au mur : « Lanonana fanamarihana ny fanombohan’asa eto Taolagnaro », Chambre de Commerce, Fort-Dauphin, 07/03/2019

Ny alakamisy 07 marsa 2019 lasa teo no notanterahana tao amin’ny « Chambre de Commerce et d’Industrie » tao Taolagnaro ny « Lanonana fanamarihana ny fanombohan’ny tetikasa SIMSI teo amin’ny faritra Anosy ».

Ny Tetikasa SIMSI izay tanterahin’ny ONG SAHA dia nahazo tohana avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena ary mikatsaka indrindra ny fanatsaràna ny tamberin’andraikitra sy ny fandraisan’anjaran’ny olompirenena ho amin’ny fampandrosoana ny kaominina.

Nampahafantarina nandritra ity lanonana ity ny mikasika ny tetikasa, izay narahina fifanakalozan-kevitra sy fanomezana fanampim-panazavana ho an’ireo mpisehatra samihafa tonga nanome voninahitra ny atrikasa. Anisan’izany indrindra ny solontena avy ao amin’ny Fileovan’i Taolagnaro, ireo avy amin’ny servisy teknikam-panjakàna voakasika, ny avy eo amin’ny renivohitry ny Kaominina Taolagnaro sy ireo Kaominina efatra voakasiky ny Tetikasa (Ampasy Nampohana, Mandromondromotra, Sarisambo ary Manambaro), ireo mpiara-miombon’antoka eo an-toerana ary ny solontena avy amin’ny olom-pirenena sy ny fiarahamonim-pirenena voakasika.

Anisan’ny voadinika tao anatin’izany ny fanamafisana orina ny Rafitra Ifotony Fikaonan-doha mba ho sehatra ifampieran’ny mpisehatra amin’ny fandrafetana ny drafi-pampandrosoana sy ny teti-bolan’ny Kaominina, ny mikasika ny famaliana ny laharam-pahamehana ho fanatsarana ny tolo-draharaha voafaritra ary hanaovan’ny mpitondra tatitra, ary ny fanasongadinana sy fizarana ireo paikady mahomby mba ho entina hanatsarana ny paikadim-pirenena voakasik’izany.

Sehatra ara-tsosialy 3 no hampiharana izany tamberin’andraikitra takian’ny olom-pirenena izany, dia ny fanabeazana, ny fahasalamana ary ny fananan-tany, izay iarahan’ny ONG SAHA miara-miombon’antoka amin’ireto fiarahamonim-pirenena manaraka ireto, dia ny HELVETAS, ny Hetsika ROHY, ny Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany (SIF), ny Fivondronan’ny Radio na « Coalition des Radio pour la consolidation de la paix », ary ny Tambazotran’ny Olom-pirenena miaro ny Tamberin’Andraikitra takian’ny Olom-pirenena eto Madagasikara (RTRSM).

Cette actualité fait partie du projetCIMSI · Citizen Involvement in Municipal Service Improvement (CIMSI)Voir le projet
Événement Gouvernance locale CIMSI

Newsletter

Les nouvelles du terrain, une fois par trimestre

Actualités, publications et rendez-vous de l’ONG SAHA, directement dans votre boîte mail.