ONG SAHA

SIMSI: Fanatsaràna ny tamberin’andraikitra sy ny fandraisan’anjaran’ny olompirenena ho amin’ny fampandrosoana ny kaominina

Kaominina miisa 07 eto amin’ny Faritra Vakinankaratra no anisan’ny ahazo tombotsoa amin’ny Tetikasa SIMSI na « Sehatra Ifampierana Mampahomby ny Sampan-draharaha eny Ifotony ».

Notanterahina ny zoma faha 15 marsa 2019 lasa teo tao amin’ny espace Le Rêve Antsirabe ny « Lanonana fanamarihana ny fanombohan’ity tetikasa ity teo amin’ny faritra Vakinankaratra ».

Ny tanjon’ny tetikasa dia ny hanome lanja ny tamberin’andraikitra eo amin’ny olom-pirenena tsy ho tompon-trano mihono sy ny Mpitondra amin’ny alàlan’ny fiarahana mamaritra ny laharam-pahamehana, ny lamin’asa ary ny tetibola ao amin’ireo kaominina hiasàn’ny tetik’asa. Ny sehatra ara-pahasalamana, ny fanabeazana ary ny fananan-tany no entina hampiharana izany.

Tonga nanome voninahitra ity lanonana ity Ramatoa Préfet an’Antsirabe izay nanamafy nandritra ny lahateny izay nataony ny amin’ny fanamafisana ny fandraisan’anjara ny olom-pirenena sy ny fampihodinana ny Rafitra Ifotony Fikaonan-doha eo anivon’ny kaominina mba hitondra mankany amin’ny fampandrosoana.

Andriamatoa Lehiben’ny Faritra Mpisolo tena raha nandray fitenenana dia nisaotra ny ONG SAHA nahatsiaro ireo kaominina 7 aty Vakinankaratra (Vinaninkarena, Mangarano, Manandona, Ibity, Sahanivotry, Belazao ary Antanimandry) sy ny fitondrana tantsoroka hatrany ho an’ireo ben’ny Tanana sy ny mpisehatra rehetra eo anivon’ny kaominina mba hirosoany bebe kokoa amin’ny fampandrosoana.

Maro ny dinika sy fifanakalozan-kevitra nandritra ity atrikasa ity anisan’izany ny olana sedrain’ny kaominina ankehitriny, ny fametrahana ny rafitra ifotony fikaonan-doha sy ny fampihodinana izany, ary indrindra mikasika ny fomba entina manatsara ny tolo-draharaha izay miainga amin’ny alalan’ny tombana ataon’ny olom-pirenena.

Ho an’ireo kaominina roa (Vinaninkarena sy Sahanivotry) izay efa nanomboka ny fiaraha miasa tamin’ny taona voalohany natokana ho fisantarana ny tetikasa (phase pilote) dia nanambara ireo Ben’ny tanàna fa tena ilaina tokoa ny tantsoroka mba hisy traikefa entina hampandrosoana ny kaominina ary nanamafy fa tsy tokony atao vato misakana ny tsy fahampian’ny enti-manana amin’ny fanatsarana ny servisy.

Ny tetik’asa SIMSI dia tohanan’ny Banky iraisam-pirenena ary mpiara-miombon’antoka amin’izany: ny HELVETAS, ny Hetsika ROHY, ny Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany na (SIF), ny Fivondronan’ny Radio na « Coalition des Radio pour la consolidation de la paix », ary ny Tambazotran’ny Olom-pirenena miaro ny Tamberin’Andraikitra takian’ny Olom-pirenena eto Madagasikara (RTRSM).

Hijery ireo sary

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *